|
Imerina
Tantara
Harembakoka
Tsangambakoka
TENDROMBOHITRA MASINA
Raha ny harembakoka no jerena dia tena manana ny ampy tokoa Imerina. Mihoatra ny
20 000 no isan’ny tananan’ny Ntaolo voahodidina hadivory. Etsy andaniny moa dia mbola maro sesehana koa ny tamboho tranainy, vatolahy, vavahady, rova, trano sy fasana tranainy isan-karazany. Tsy ferana koa ireo "toerana masina" (tendrombohitra, loharano maro, sns.) manan-tantara ka ilaina tandrovana sy dinihina akaiky.
Misy toerana izay nosinganin’ny fanjakana ka misy fiarovana manokana toa an’ : Ambohimanga, Tsinjoarivo, Ilafy, Antongona, Ambohidratrimo, Andafiavaratra, Tranon-dRainilaiarivony ao Amboditsiry, Antsahadinta, harambaton’Ampamarinana sy ny kianjan’ Mahamasina, fiangonana protestanta eny Andohalo sy manodidina sns
 Rovan’ antsahadita
|
 Rovan’ Ilafy
|
 Tambohon-dRadama
|
 Rova Tsinjoarivo
|
|