|
Imerina
Tantara
Harembakoka
Rovan’Antananarivo
Ny rovan’Antananarivo : 8 no tsangambakoka lehibe tao : Manjakamiadana dia ilay lapa hazo norakofana vato ka io fonony vato io sisa tavela , Tranovola / Manampisoa / Besakana / Mahitsielafanjaka / Fiangonana protestanta / andiam-pasana 3 : fitomiandalana - mpanjaka lahy - mpanjaka vavy / vavahady. Amanjato taona maro no nanorenana azy ireo ka ny endriny mahavantana dia io hita amin’ny sary io .
 Mankamiadana
Nodoran’ny jiolahy izy ny 5 novambra 1995 ary foanan’ny afo tanteraka akoatran’ireo rarivato taty ivelany. Ny fitaovana sy fanaka naranty tao anatiny indray dia 20% eo ho eo no sisa voavonjin’ireo mahery fo nanao sorona ny ainy ka tehirizina ao amin’ny mozean’Andafiavaratra ankehitriny.
|