Imerina

-Tantara   -Harembakoka  


 

Ny fitenintsika


1 / Ny fihaviany :

Ny fitenintsika dia anisan’ny fiteny nusantara (antsoina koa hoe melayu-polynésia na malayo-polynésien).Miely eran’ny Asia Atsimo-Atsinanana (Indonesia, Malaysia, Filipina) sy Oseania ( Tahiti, Hawaï,Samoa sns...) io fiteny io. Marihina fa mihoatra ny 90 % ny voan-teny fototra avy amin’io fianakaviambe io izay mbola hita amin’ny fitenintsika mandrak’ankehitriny.

Ny manakaiky indrindra azy dia ireo fiteny ampiasaina any Kalimantan (Indonesia).

Taty aoriana moa dia maro koa ny voan-teny vahiny tafiditra indrindra indrindra ny teny arabo sy soahely /bantou (afrikana) ary anglisy sy frantsay.

2 / Ny abidy

misy litera 21

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Y Z

Ireto avy ny fizarana azy :

- ny renintsoratra : b d f g h j k l m n p r s t v z - ny zanatsoratra : a e i o y - ny renintsoratra mitanbatra : ts, tr, dr

Tantara : Radama I no nanapakevitra fa hosoratana amin’ny teny latina ny abidy ary nanomboka tamin’ny fanjakàny no nampiroborobo ny sekoly teto Imerina.

3 / Ny fihavian’ny teny (etimolojia) sasantsasany

  • Ireo izay avy amin’ny fiteny nusantara fototra ( Proto-Nusantara)
    • anaka : anak
    • lanitra : langit
    • vato : batuh
    • tany : tanah
    • maty : mati
    • vorona : burung
    • sambo : sambau
  • Ireo izay avy amin’ny teny arabo :
    • alahady : el ahad
    • alakamisy : el khmis
  • Ireo avy amin’ny teny afrikana
    • amboa : mbua
    • akoho : kuku

4 / Dikanteny

- patrimoine : vakoka, lova nentin-drazana
- rappel des faits : jery todika
- émigrer : mitady ravin’ahitra, mandranto
- culture : kolon-tsaina

5 / Ohabolana :

- Aza manao toa ny keliray mahazo jiolahy :" tano fa azoko, vonjeo aho fa lasany..."
- " Miady maraina, tsara hariva ; miady hariva tsara maraina toy ny mpivady ".