Fantaro i Mamelomaso
-
Ny Momba an’ i Mamelomaso
FANTARO NY FIKAMBANANA MAMELOMASO
TANTARANY
Niorina tany amin’ny Nosy La Réunion ny taona 1995 ny Fikambanana MAMELOMASO ( MM ) taorian’ny nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana
TANJONY
Mikajy sy manabe voho ireo vakoka eto Imerina
TOERANA
Foiben-toerana : La Réunion Mamelomaso / foibe
Sampana :
* Antananarivo : Mamelomaso / Iarivo : Misy Birao maharitra, manara-maso sy mitan-tsoroka ny asa fanarenana sy fanentanana.
* Parisy : Mamelomaso / Frantsa : Miandraikitra ny fanangonanana ireo tahirin-kevitra ara-tantara miparitaka manerana ny Tranom-boky Eropeana rehetra any sy ny fifandraisana samihafa.
MPIKAMBANA
Any ho any amin’ny dimam-polo any ho any ireo mpikambana mavitrika ato amin’ny Fikambanana ary misandrahaka amina sehatr’asa maro saingy akaiky ny asa momba ny Vakoka avokoa : Mpahay tantara, Arkeolojia, Mpandinika ny fiainan’Olombelona, Mpahay maritrano, Injeniera (Mpanao maritoerana, Tao-trano, Asa vaventy) - mandrakotra ny 70 isan-jaton’ny Mpikambana ireo - Ivelan’ireo dia misy namana any amin’ny roan-jato any mifanampy amin’ny Fikambanana amin’ny zavatra ataony.
MPIARA MIASA FOTOTRA
Eto madagasikara : Ny Minisiteran’ny Kolontsaina, ny Kaominin’Ambohimanga Rova, ny Insitut superieur de Technologie Antananarivo(I.S.T.T), ny Arisivam-pirenena, ny " Centre National de Recherche Industrielle et Technologique " C.N.R.I.T, ny " Centre d’art et d’archéologie " - Oniversiten’Antananarivo.
Any la Réunion : DRAC, Conseil Régional sy ny Conseil Général.
Fifandraisana iraisam-pirenena : REMPART, Patrimoine sans frontières
Ny FAMATSIAM-BOLA
Latsakemboka isambolan’ny Mpikambana
Fihetsiketsehana isan-karazany
Fanomezana sy fanampiana avy amin’ny malalatanana
ASA ATAO
Mifototra amin’ny toko telo lehibe ny asa :
* FANARENANA
* FIOFANANA
* FANENTANANA SY FIAROVANA