Tsapan’ny MAMELOMASO fa tsy misy tsangan’asa azo vinavinaina raha tsy misy fiofanana mialoha omen’ny mpiara-miasa. Ny faharetan’ny asa sy ny fahalavorariana dia miankina any amin’ny fahaizamanao sy ny fahavitrihan’ny mpiasa.
- Noho izany ny MM dia nanomboka asam-panofanana miankina amin’ny rijan-kevitra roa lehibe, ny taona 1996.
- Ny Haitao nentin-drazana amin’ny fanorenana, izay mitsinjara telo :
* Ny akora TANY (1998)
* Ny akora VATO(1999)
* Ny akora vato sy tany miaraka (2003)
Tamin’ity taona 2003 ity dia nanatanteraka fiofanana izay noitarihan’ny C.N.R.I.T (Centre National de Recherche Industrielle et Technologique) mikasika ny fikirakirana ny akora tany sy vato miaraka.
Ny sasan-tsasany amin’ny fiofanana dia narahina tany andafin-driaka mba hahafahan’ny mpikambana hamolalaka ny haitao vaovao na manjohy vanim-potoana amin’ny fanarenana ary ny ampahany hafa kosa dia natao teto an-toerana izay mikasika ny haitao nentin-drazana.
Ny fahombiazana azo tamin’ireo fiofananana nataon’ireo mpanajary matihanina momba ny vakoka ireo dia misarika ny MM hampitombo ny fifandraisana ary hamolavola ny tetikasam-pifandraisana mitohy miankina amin’ny vakoka aty amin’ny Ranomasimbe Indiana.
Ankoatra izany ny Mamelomaso dia manofana ny mpikambana ao aminy amin’ny sehatra toy ny NTIC, fitatanam-bola ary ny solosaina hanatsarana ny fomba fiasa.