Hatrany am-piforonany ny MM no niroso tamin’ny tetik’asa fanentanana ho amin’ny Vakoka :
- Anjatony eo ho eo ny tanora mandray ny fanentanana nataon’ny Fikambanana : Sekolim-bakoka, Fitsidihan-toerana, Kilalao sy fifaninanana...
- Fikarakarana famelabelarana, fampirantiana, fandraisana anjara tamin’ny fandaharana tao amin’ny fandefasam-peo.
- Famoahana laharana roa ny Gazety bokin’ny Fikambanana ahafahana mampita vaovao sy manentana ny olona hafa.
- Fanorintsoritana toerana azo tsidihana amin’ny fizahan-tany, fametrahana tondro-toerana sy tondrolalana amin’ny toerana manan-tantara, fanaovana takelaka mampahafantatra ny Rova...