Fananarenana

Nanomboka nisahana asa fanarenana sy fanajariana ireo tendrombohitra manan-kasina eto Imerina ato anatin’ny faritr’Avaradrano izay misy ny Rovan’Ilafy sy Ambohimanga ny MAMELOMASO ny taona 1995 .

1996 : Ny ROVAN’ILAFY

Tendrombohitra voaaro misy Tranom-bakoka mampiseho ny fomba amam-panaon’ny mponina eto Madagasikara no toerana voalohany nanaovan’ny Mamelomaso Tsangan’asa. Fanarenana ny lalana mankany amin’ny Rova (Tohatohatra) sy fananganana tondro toerana no natao. Taty amin’ny taona 2001 no nanombohan’ny Fikambanana nanampy ireo hazondrazana nisy tao an-toerana sy ny fanadiovana ary fiarovana samihafa.

Hatramin’ny 1997 : NY ROVAN’AMBOHIMANGA

IREO FEPETRA AMIN’NY FOMBA FIASA SIANTIFIKA AMIN’NY TOERANA MANAN-DANJA

Ny taona 1997, rehefa nahafantatra ny faharavana miandalan’ny ny toerana ny MM dia nanao ho vain-dohan-draharaha amin’ny asa hotanterahiny ho fanarenana an’Ambohimanga. Rehefa nifampidinika tamin’ireo mpiara-miasa roa tonta ; dia ny Sampandraharaha misahana ny vakoka sy ny Kaominina Ambohimanga ny MM dia niroso tamin’ny fanarenana ireo vavahady tranainy (afatsy ny vavahady Ambatomitsangana) ny lala-mihodidina, ny Hadivory fiarovana, ny fatsakana ary ireo toera-manan-tantara samihafa. Nisy araka izany ny fomba fiasa tsy maintsy narahina...

FANANGONANA TAHIRIN-KIRAKIRA

Toy ny fepetra takiana amin’ny hetsika fanarenam-bakoka rehetra dia nanomboka tamin’ny fanangonanana tahirin-kevitra voasoratra sy am-bava mikasika ny tantaran’Ambohimanga ny MM. Teto an-toerana, tany La Réunion ary Eropa no nikarohana izany. Manana tahirin-kevitra tsy mbola fantatra (Ohatra : Sarim-pahatsiarovana tranainy) na koa Tsinjodia fototra mikasika ny tantaran’ny faritra ny MM. Teo ihany koa ny fanangonana ny lovan-tsofina samihafa. Manampy izany koa ny fampiasana ny arkeolojia.

NY ZAVA-MISY ANKEHITRINY

FAMITANA NY ASA MARITOERANA SY MARITRANO

Ny fandraiketana an-tsary dia nohezahana ho marina sy manara-dalana araka ny tena izy. Natao ny asa maritoerana mahasahana ny Vohitra manontolon’Ambohimanga. Ny asa maritoerana voalohany dia nametrahana ireo kasinga mbola misy sy hita maso ka voasokajy ho vakoka ( Rova, Hadivory, Fantsakana) Azo inoana fa mbola tsy vita tanteraka izany satria mbola maro ireo toerana manan-tantara mbola tsy fantatra nefa voatahiry anaty lovan-tsofina na an-tsoratra ka difotry ny zava-maniry sy ny atsanga any ho any. Rehefa voahangona avokoa ireo dia narindra anaty maritrano feno tanteraka. Ny kasinga iraisan’ny vakoka dia vita pikan-tsary Nosarahina araka ny ahitana azy(ankapobeny, antsipirahany, fira) ombana tondro maneho ny pitsopitsony ara-tekinika. Ireo asa sarobidy ireo dia notanterahan’ny mpanao maritoerana sy maritranon’ny IST, ary ny mpikambana MM kosa izay teny an-toerana no nisahana ny fikarohana ara-tantara sy arkeolojia rehetra.

* 1997 - 1998 : Fanarenana ny vavahadin’Ampitsaharana sy ny lalan-kely mampitohy azy sy ny kianja Fidasiana.
* 1998-1999 : Fanarenana ireo vavahady Miandravahiny ambony sy ambany ary ny totoha-bato mampitohy azy ireny ;
* Fanarenana ny lalan-kely Ambatontsakalava - Amparihimasina ary avy eo amin’ny vavahady Miandravahiny mivarina any an-tanimbary.
* 2000 : Fanarenana ny lalan-kely manodidina mampitohy an’Ambatotsakalava sy Ampitsaharana mandalo ny fatsakana masina ao Andranomaneto sy Andranomboahangy
* 2001 : Fanarenana ny vavahadin’Amboara

Ny MM sy ny IST no nisahana ny fanaraha-maso sy ny fanofanana ; Ny mpanao asa-tanana ao an-tanana izay nofanin’ny Fikambanana kosa no nanantanteraka ny asa ; Efa hatrany amin’ny tsangan’asa voalohany no efa nitoetra izany fiaraha-misalahy izany.

- Fanadihadiana mialoha sy rafitr’asa CCTP ;
- Fanajana ny riba amam-pombany : fampandraisana anjara ireo mpanandro sy ireo zokiolon’ny tanana izay manondro ny andro tsara, ny fady sy ny fomba arahina. Voahaja tsara ny torohevitr’izy ireo.
- Fanantanterahana asa : fandraketana an-tsoratra isan’andro ny fizotry ny asa. Firotsahan’ny MM mpikambana an-tsehatra amin’ny fanaraha-maso, fanaovana fikarohana arkeolojika hampian’ny fanadihadihana samihafa (ethonolgique) ombana fakana sary sy sarimihetsika izay nakana ampahany. Ny akora nenti-nandrafetana ny vavahady dia nandalo fandinihana manokana tany amin’ny toerana fanaovana izany ( Laboratoire ).Ny fomba sy ny haitao nampiraketana ny masom-bato sy ny akora nanaovana izany dia araka ny haitao nentin-drazana.
- Rehefa vita ny asa dia nisy ny famehezana izany sy ny fepetra mandrafitra azy nataon’ireo manampahaizana nanao ny fanadihadiana.
- Ny fikajiana sy ny fanolokoloana ny asa vita dia iantsorohan’ny Kaominina.