Anarana : Ambohimanga
Toerana : 21 km avaratr’Antananarivo, ao amin’ny faritr’avaradrano

Vohitr’ Ambohimanga
Fotoana nanorenana azy
Azo antoka fa tamin’ny taonjato faha 15 dia efa nisy nonina tao Ambohimanga. Maro koa anefa ny lovantsofina sy sisan-tantara manambara fa elabe talohan’io fotoana io no nanombohan’ny tanana.
Velarany : 45 ha
Haavony : 1500 m no tendrony avo indrindra
Isan’ny mponina ankehitriny : 12 000
Mponina voalohany voarakitry ny lovantsofina : Andriamborona sy ny fianakaviana izay andrian’Imamo nifindramonina. Mbola hita ao Ambohimanga ny fasany ankehitriny.
Mpanjaka nanorina ny tanàna ankehitriny : Andriantsimitoviaminandriandrazaka, zanak’ Andriamasinavalona, tamin’ny tenatenan’ny taontajo faha-17.
Mpanjaka nanandratra an’Ambohimanga ho vohitra masina : Andrianampoinimerina
Endrika ivelany :
Tanana voahodidina hadivory 2 sosona mifamahofaho mahatratra 8 km any ho any ny halavany. 16 no isan’ny vavahadin’Ambohimanga izay ampifandrasain’ny lalankely mirarivato mitentina 10 km. Eo antampon-tanàna no misy ny rovan’i Mahandry izay mifefy tamboho avo voatsatokazo. Izao avy no hita ao : tranon’ny mpanjakavavy, Mahandrihono tranon’Andrianampoinimerina , tranomanara iray. Hita ao koa ny fahimasina izay fiompiana omby volavita sy dobo masina 2.

Ambatomitsangana talohan’ny 1930
Vavahady roa lehibe misy fitiliana no fidirana ao amin’ny rova.
Ny harembakony :
Rova , hadivory, vavahady, lalankely, trano, fasana tranainy, toeram-patsakana, toeram-panasinana, farihimasina, alandrazana , tahiry arkeolojika izay mbola rakotry ny tany.

Amparihy masina
Mirindra dia mirindra ny vohitr’Ambohimanga ary araky ny fomban-drazana dia mipetraka amin’ny toerany daholo ny zava-dehetra. Ny fonenana naorina amin’ny toerana voatsidikin’ny masoandro matetika, misy alamasina ao izay mitahiry hazo sarobidy natao hitsaboana.
Ny fiarovana ny tanàna dia voadinika toa izany koa. Mahatratra hatramin’ny 30 metatra ny halalin’ny hadivory amin’ny faritra sasany.
Fihavian’ny hasin’Ambohimanga :
Loharanono nipoiran’ny fanjakana merina tafavory.
Fasan’ireo mpanjaka maro nifanesy
Toeram-panajana ny finoan’ny Ntaolo.

Ambohimanga manodidina ny taona 1900
Finoan’ny Ntaolo : Ao Andriamanitra Andriananahary izay nahary (=nampisy) ny olombelona sy izao tontolo izao. Izy no ambony indrindra ary hivavahana. Masina koa anefa ireo Razana izay natao ho mpanelanelana ka angatahan-tsodrano mba hitahy hatrany ireo taranany izay manasina azy. Masina toy izany koa ny Andriamanjaka, tompon’ny tany sy ny fanjakana ka miantoka ny fahasambaran’ny vahoaka. Ny fiainana eto an-tany (hita maso) dia fandalovana ary misy ny any ankoatra (tsy hita maso) hitoeran’ireo Razana, any ambadiky ny tendrombohitra masina any.
Ambohimanga dia toerana manana ny lanjany manokana amin’ny fijery nentindrazana, na amin’ny lafin’ny finoana izany na ny fahatsapana ny tontolo manodidina. Ao no tena mijoro sy manjaka ny soatovina maha isika antsika izay sady mifantoka amin’ny tontolo hita maso no manaja ny hasin’ny takona.