Andrianampoinimerina sy ny zava-bitany

(JPG)
Andrianampoinimerina

Teraka tany Kaloy tamin’ny taona 1745 tany ho any izy. Ranavalonandriambelomasina zanak’Andriambelomasina no reniny ary Andriamiaramanjaka kosa no rainy. Rehefa nahongan’ny vahoaka Andrianjafy anadahindreniny dia nandray ny fitondrana tao Ambohimanga izy tamin’ny tona 1784. Nandritry ny 7 taona voalohany nanjakany dia ny fanamafisana ny fitondrany no nilofosany. Nampitomboany ny harem-panjakana ary nohamafisiny ny fiarovana azy amin’ny alalan’ny fanamboarana manda sy fanangonana fiadiana.

Avy eo dia natombony amin’izay ny asa famoriana indray an’Imerina manontolo mba hampandriana ny tany. Izay tsy resiny tamin’ny ady, azony amin’ny fanambadiana sy ny paika malemy. Nony azony tokoa Antananarivo (1791) dia nataony renivohitr’Imerina ary tao izy no nipetraka nitondra ny fanjakany. Tsy nampihen-danja velively an’Ambohimanga anefa izany fa nahatonga azy ho vohitra masina manokana. Rehefa niamboho Andrianampoinimerina (1810) dia nalevina tao Ambohimanga teo anilan’ireo razambeny. Avo dia avo ny toerana misy azy ao amin’ny tantaran’ny Merina satria sady mpitaritafika nigagana izy no nanan-talenta manokana amin’ny fitondram-panjakana sy fitandremana ny fahasoavan’ny Vahoaka. Faran’izay nankafizin’ny olona koa ny fahendreny sy ny fahatsoram-panahiny izay asehon’ireo kabariny maro, nataon’ny maro tsianjery ka voarakitry ny tantara mandraka ankehitriny.

Mamy hoditra manokana teo amin’ny mpiarabelona taminy izy ary lasa nilolohavin’ireo taranaka nifandimby rehetra satria azo lazaina fa tamin’ny fotoampitondrany tokoa no tena tafa-sandratra avo dia avo indrindra ny soatoavin’Imerina.