Ambohimanga, vohitra masina

Hatramin’ny nahakilan’ ny afo ka naharava tanteraka ny rovan’i Manjakamiadana ( 5 novambra 1995) dia Ambohimanga no toerana sarobidy indrindra amin’ny fahafantarana ny tantaran’ny mpanjaka sy ny fomban-drazana. Anisan’ny tendrombohitra 12 i Ambohimanga ary noho ny tantarany, ny hasiny sy ny hakantony dia natokan’ny UNESCO koa izy ho isan’ireo harembakok’ izao tontolo izao. Ny Zanakandriamborona avy any Imamo no nonina tao voalohany ary Andriamasinavalona kosa no nanomboka nanome azy ny toeram-panjakana matanjaka ananany. Andriatsimitoviaminandriandrazaka zanaka lahin’ Andriamasinavalona no azo lazaina fa mpanjaka nipetraka voalohany tao.

(JPG)
Ambohimanga - Jery avaratra atsinanana

Andrianampoinimerina (1787) kosa indray no nanome an’Ambohimanga ny lazany izay hita taratra mandrak’ankehitriny. Teo tokoa mantsy no niaingan’Andrianampoinimerina nanorona ny fanjakany. Tsy ny fampiraisana fotsiny ihany anefa no niainga avy eo Ambohimanga fa indrindra koa ny fomba fampandrosoana sy ny fahendrena nentin’Andrianampoinimerina nitondra fanjakana. Ary ho mariky ny lanjan’Ambohimanga, rehefa niamboho ny mpanjaka Andrianampoinimerina dia tao izy no nasitrika ary nanarak’izany koa Ranavalona I sy II. Na dia Antananarivo aza ny renivohitry i Madagasikara dia mbola Ambohimanga foana no toerana niandohana sy hiafarana mba hitsinjovana ireo taranaka faramandimby . Rehefa tonga anefa i Gallieni, governora frantsay tamin’ny 1897, nanombohan’ny fanjanahantany, mba hampiheboeboany ny heriny dia nokendreny mihitsy ny hampilefitra tanteraka ny saim-bahoaka ary tena ny masina amin’ny samy masina mihitsy no novetavetainy ka nafindrany tany anaty Rovan’Antananarivo ireo Mpanjaka tao Ambohimanga. Noravany niaraka tamin’izany ireo trano Manara tao anaty Rova.

(JPG)
Rova talohan’ny 1905

Na teo aza anefa izany hetraketraka mahery vaika izany dia tsy nanakana an’Ambohimanga ho toerana hajaina sy masina ho an’ny vahoaka izy. Ary olona an’arivony maro isan-taona , no mangata-tsodrano eny Ambohimanga mba hitsinjo azy sy ny fianakaviany mba ho feno fahendrena , tsy harofy , tsy ho mosarena . Ny fadin’Ambohimanga izay mbola hajain’ny maro ankehitriny dia ny kisoa sy tongolo.