Taombaovaon’ny Ambanilanitra
TAOMBAOVAON’NY AMBANILANITRA
“ SAMBASAMBA ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY ”
Eo ambanin’ny fiarovan’Atoa RAJEMISON ANDRIAMAHARO, Filohan’ny Antenimieran-doholona sy ny fiahian’ Atoa Ramilison Max Filoha lefitry ny Antenimeran-doholona, Ny Minisitry ny Fitaterana sy Fizahan-tany, Ny Sekreteram-Panjakana misahana ny kolontsaina sy Fialamboly
FOTOANA : 18 martsa -19 martsa
TOERANA : AMBOHIMANGA
TANJONA :
Famerenan-kasina ny taombaovao nentin-drazana sy fanentanana ny olona hankalaza izany. Fanandratana ny kolontsaina malagasy.
Fametrahana hetsika ampiroboroboana ny fizahantany eto amin’ny faritra Analamanga izay atao toerana tsy fandalovana ny mpitsidi-tany intsony fa toerana hijanonana maharitra.
Ny zavatra tsapa : Maro ireo kolontsaina nentin-drazana mampiavaka antsika izay manana ny hasiny ary tokony hahasarika ny be sy ny maro nefa olom-bitsy ny mankalaza azy, hany ka ny fomba vahiny indray no mibahan-toerana
( oh : halloween, Saint-Valentin, mardi-gras, oktoberfest sns..)
Ny Fandroana no lanonana goavana indrindra nankalazaina teto Imerina talohan’ny fanjanahantany ary ny 22 novambra 1896 no nankalazana azy farany. Ny mpanjana-tany frantsay no nanafoana azy tamin’ny 5 jona 1897 ary nosoloiny ny 14 jolay.
TANTARA SY FOMBAN’NY FANDROANA : lanonandehibe ataon’ny Ntaolo isan-taona izay sady taombaovao no fetim-pirenena. Raha ny tantara dia ny mpanjaka nanomboka tamin’i Ralambo - ary indrindra tamin’Andrianampoinimerina - no nametraka azy ho fetim-pirenena fa tamin’ny andro fahagola dia ny maha-taombaovao azy no tena nankalazaina.
Ireto avy fomba amam-panao hivohizan’ny Fandroana ny soatoavina sy fahendren’ny Ntaolo :
1.Rohahina ny ratsy hivalona miaraka amin’iny taon-dasa iny (Harendrina,afo tsy maty )
2.Midio ny ambanilanitra hiatrehana ny taona vaovao
Ho lasa ny ratsy rehetra. (Mandro, Safo-rano)
3.Tso-drano : mba ho soa sy tsara ny taona vaovao (Sambasamba, Fafirano)
4.Fanamafisana ny fehim-pihavanana rehetra : ny mpianakavy, ny mpiara-monina, ny mpitondra sy ny vahoaka ( Jaka, nofonkena mitam-pihavanana, volatsivaky, Solombodiakoho, solom-penakoho )
5.Fetin’ny ankizy : Omena lanjany manokana ny ankizy izay solofo sy dimbin’ny ala. (Harendrina, Fampitaha, Marakely, Tsikonina)
6.Ny raimandreny mialoha ny maha-toy izao antsika ary misy ny fitohizana sy fampitana ny lovasoa (continuité). Manazava ilay ohabolana hoe “ny hazo no vanon-ko ho lakana , ny tany naniriany no tsara ”( famangiana fasana, Fihinanana hena mialin-taona, ny toerana lehibe omena ny ankizy ) Ny lova ratsy no ariana fa ny tsara kosa tohizana sy asandratra.
Fehiny : Fidiovana sy fanariana ny ratsy rehetra tamin’ny ny taon-dasa / fangatahan-tsodrano / Fanamafisana Fihavanana
NY MPIKARAKARA : Fikambanana MAMELOMASO
Eo ambanin’ny fiarovan’ filohan’ny Antenimieran-doholona, Atoa RAJEMISON ANDRIAMAHARO sy ny fiahian’Filoha lefitry ny Antenimieran-doholona Atoa RAMILISON Max, Ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahantany, Ny Sekretariam-panjakana misahana ny Kolontsaina sy ny Fialam-boly.
Direction Inter-régionale du Tourisme / ORTANA / OSCAR / RAVAKA / OFNAC
AMBOHIMANGA : Kaominina, Fokontany / CEG / Fik Soa Avela sns...
FIMPIMA / TRANO-BONGO / MIKALY
Vondrona MBS / Vondrana Feon’Imerina / RDJ
NY OLONA ENTANINA
Ny Be sy ny maro / Ny tanora izay handray ny faneva ka hahay hamakafaka mba hanandratra ny zava-tsoa navelan’ny Ntaolo / Ny vondron’olona mikirakira vakoka sy kolontsaina ary fizahan-tany
FANDAHARAM-POTOANA : AMBOHIMANGA 18- 19 martsa
Alahady 18 martsa : Afo tsy maty.Fiaretan-tory hitsenana ny taombaovao
6 ora hariva : Ny ankizy no hitondra harendrina hamakivaky ny tanàna ary amelona ny afo tsy maty.
7 ora - 9 ora hariva : afom-pifaliana miaraka amin’ny ankizy sy ny be sy ny maro hitantarana angano sy tantara.
9 ora hariva mandram-paharain’ny andro : Lanonana fiaretan-tory ho an’ny lehibe : hira, dihy, tononkalo...
Alatsinainy 19 martsa : taombaovao
Manomboka @ ny 6 ora : fomba amam-panao ( famonoana omby, fikarakaraan ny nofo-kena mitam-pihavanana )
9 ora : fandraisana ireo manam-pahefana, kabary sy fomba mifandraika amin’ny taombaovaon’ny Ambanilanitra : Safo-rano, Fafirano, Sambasamba (vary amin-dronono tondrahan-tantely), Nofon-kena mitam-pihavanana...
11 ora hetsiky ny ankizy avy ao amin’ny CEG sy ireo fokontany ao Ambohimanga : Fampitaha, vakodrazana, kabary sy hainteny .. Hisy fifaninana ka ho faranana amin’ny fizaran-doka.
FANAMARIHANA : Ny tanjona dia ny ankalazan’ny vohitra sy ny olona rehetra ny Fandroana ka hanentanana ny sampan-draharaham-panjakana, ny orinasa, ny fikambanana mikirakira vakoka hitarika ny lanonana eny amin’izay toerana misy azy. Toa izany koa ny eto andrenivohitra..Tohanana izay rehetra mankalaza ny Fandroana amin’izay endrika tiany hanehoan’ny fety (alim-pandihizana, hanim-pitoloha sns.)
FIKAMBANANA MAMELOMASO : 8 lalana Rabehevitra, rihana faha-2, varavarana 207 Antaninarenina ( akaikin’ny Caveau) . Tel : 0331425141 / 0331482280/ 2427134
E.mailaka : mamelomaso@wanadoo.de / rabej@freenet.mg