Imerina

-Tantara   -Harembakoka  


 

Tsangambakoka


TENDROMBOHITRA MASINA

Raha ny harembakoka no jerena dia tena manana ny ampy tokoa Imerina. Mihoatra ny 20 000 no isan’ny tananan’ny Ntaolo voahodidina hadivory. Etsy andaniny moa dia mbola maro sesehana koa ny tamboho tranainy, vatolahy, vavahady, rova, trano sy fasana tranainy isan-karazany. Tsy ferana koa ireo "toerana masina" (tendrombohitra, loharano maro, sns.) manan-tantara ka ilaina tandrovana sy dinihina akaiky.

Misy toerana izay nosinganin’ny fanjakana ka misy fiarovana manokana toa an’ : Ambohimanga, Tsinjoarivo, Ilafy, Antongona, Ambohidratrimo, Andafiavaratra, Tranon-dRainilaiarivony ao Amboditsiry, Antsahadinta, harambaton’Ampamarinana sy ny kianjan’ Mahamasina, fiangonana protestanta eny Andohalo sy manodidina sns

(JPG)
Rovan’ antsahadita
(JPG)
Rovan’ Ilafy
(JPG)
Tambohon-dRadama
(JPG)
Rova Tsinjoarivo